Paroles de Hanaraka anao

Mahaleo

pochette album Hanaraka anao
Voir sur Itunes

Date de parution : 05/05/2008

Durée : 0:04:41

Style : World



sonnerie téléphone portable pour Hanaraka anao

Hanaraka anao,toy ny aloka
Ka tsy hifandao raha tsy andro tena maloka
Fa raha mbola misy tara-pahazavana
Tsy hiala teo mihitsy aho raha toa mbola tamana (x2)

Tsy andriko intsony ny andro maraina
Hahazoako indray hifoha hamonjy ano ry aina
Dia tsy hiala teo indray raha tsy ny andro no hariva
Rehefa injay ny masoandro iva dia iva(2fois)

Izaho anie ka zaza tsy mahasara-dreny
Ka hanaraka anao eny rehetra eny
Ianao irery no afaka hampitony ny tomany
Ka raha toa aho ka solafaka ,ianao no hanarina ahy hatrany (2fois)

Ny vavan'ny sasany tsy ahoako intsony
Fa ny fitiavantsika no asandratro ambony
Ka ny vavaka atao dia ny mba haharitra hatrany
Haharitra tokoa anie izany fiarahantsika izany(x2)

Les autres musiques de Mahaleo